TARATRY ny KANTO

Hisy ny tafatafa arahina ady hevitra iarahana amin-dRaymond Rajaonarivelo, mpanatontosa sarimihetsika, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny 20 janoary 2024. Malagasy anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika izy. Ny fahitany ny sarimihetsika malagasy no votoatin’ny tafatafa.

Sarimihetsika sy sarimiaina miisa 30, mizara amin’ny sokajy dimy, nalaza nandritra ny taona 2023, nofantenana ho fidiana, hamaritana izay handrombaka ny “Golden Globe Awards”. Misy ihany koa ny mpilalao ho fidiana handrombaka izany amboara izany eo amin’ ny sokajiny. Anisan’izany i Leonardo Di Caprio.

Ao anatin’ny fitetezana an’i Eoropa ny tarika Quator Squad amin’izao. Ao Allemagne ny tarika amin’ izao fotoana rehefa avy nanao fampisehoana tany Belgique sy France. Ankoatra ny fampisehoana manokana ataon’izy ireo. Hisy ny seho iarahany amin’ny Malagasy mpahay kanto any an-toerana toa an’i Eric Manana sy Do Be.

Tanterahina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fanombohana ny fampirantiana “La Nouvelle terre, Ilay tany vaovao”. Mpahay kanto dimy samihafa no handravaka ny haikantony avy amin’ity. Mifanindry an-dalana amin’ izay, eny an-toerana ihany koa ny ranty “Sedran’ny tany”.

Partager sur: