Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny prefet-n’i Mahajanga sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (DRICC) Boeny, omaly. Raharaha maha voarohirohy azy ireo ny mahakasika ilay vary simba tanaty kaontenera miisa 50 tany an-toerana.
Maromaro ny tomponandraikitra ambony avy any an-drenivohitr’i Boeny no nampiakarina aty Antananarivo. Nohadihadiana teny amin’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) izy ireo, ny fiandohan’ny herinandro teo. Anisan’izany ny olom-boafidy sy olom-boatendry, toy ny Prefet-n’i Mahajanga, ny ben’ny Tanàna, ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, ny talem- paritra DRICC Boeny, sns.
Antony, nisy ny taratasy niarahan’izy ireo nanao sonia, nahafahana namoaka ireo vary simba ireo tao amin’ny toeran’ny orinasa ViMa any Mahajanga. Tokony ho navadika zezika ireo vary simba ireo tany am-boalohany, araka ny taratasy navoakan’ny minisitera MICC, ary novaina fa ho dorana indray taty aoriana. Tsy izay anefa no nitranga, fa nisy ny fikasana hanadio ireo vary simba ireo indray, novaina ny gony, nafangaro tamin’ny vary vao, saingy izao tratra izao.
Njaka A.