Vono olona tao Antsirabe: tra-tehaka ilay ramatoa atidoha nikotrika

Nokarohina hatry ny ela! Tratra afakomaly ny ramatoa iray mpamono olona. Namono vehivavy mpiasan’ny kaominina izy ka nandevina izany tao an-tokotaniny.

Nataon’ny zandary hazalambo, voasambotra ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza tamin’ny fa­monoana ilay mpiasan’ny kaominina tao Antsirabe, ny volana oktobra lasa teo. Nilaza ho manana tany amidy io vehivavy nahavanon-doza io sy ny namany ka nifampiresaka ta­min’ilay ramatoa lasibatra. Ahi­na ho ilay vola hividianana tany, araka izany, no namonoan’ireo olon-dratsy azy, ara­ka ny fanadihadian’ny zandary ao Antsirabe. Notaperin’ ireo mpisoloky ho manana tany ny ain’ilay renim-pianakaviana. Tsy vitan’io, nalevin’izy ireo tao an-tokotany ny razana.

Nokarohin’ny fianakaviany ilay renim-pianakaviana saingy tsy hita. Roa volana taori­an’ny famonoana, saron’ny zandary miasa ao Antsirabe fa nalevin’ireo tsy mataho-tody tao an-tokotany ilay mpiasan’ ny kaominina. Voasambotra niaraka tamin’izay ny roa vavy mpiray tsikombakomba tamin’ ny tompon’antoka.
Hazalambo…
Nifampitadiavan’ny zandarimaria ilay tompon’antoka rehefa tsy hita tao amin’ny trano fonenany tao Antsirabe, tamin’io volana novambra nahatrana ny namany roa io. Niara-niasa ny zandary ao an-toerana sy ny teto an-drenivohitra. Vokany, naharay loharanom-baovao marim-pototra ny zandary miasa eo amin’ny borigadin’i Talatamaty fa mialokaloka eny amin’ny manodidina ilay ramatoa atidoha tamin’ny vono olona. Nanao ny paikady hisamborana azy ireo manampahefana ka sarona tokoa io ramatoa io, afakomaly. Nentina hatao famotorana izy ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Tsiferana R.

Partager sur: