Araka ny vaovao fampahafantarana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), nampitomboina ny vola ho azon’ny ekipa mpandresy amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra “CAN 2024”, ity. Mba hisian’ny fahavitrihana eo amin’ireo mpandray anjara ny anton’izany. Zava-dehibe tokoa izany satria tsy very maina ny ezaka sy ny harerahana mandritra ny iray volana hifanandrinana eny ambony kianja. Misy tokoa ny fahavitrihana rehefa mitombo ny vola. Tsy amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ihany no marina io teny io, fa amin’ny sehatra rehetra mihitsy. Izany tokoa ny hoe: «Ny aina Ramangatahina fa ny vola Ramangatadiavina».
Raha ny tarehimarika navoakan’ny CAF, ny fiandohan’ny taona 2024, nasondrotra ho 40 % ny vola ho azon’ireo ekipa manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana. Samy hanao izay fara-heriny avokoa, araka izany, ireo ekipa 24 mifanandrina, amin’ity «CAN 2024» ity, mba ho tafavoaka vondrona aloha. Tsy mbola afaka ny misioka anefa fa mila mandingana ny ampahavalon-dalana vao afaka hianoka io fisondrotana nomen’ny CAF io. Azo antoka fa hitombo avo roa heny ny fahavitrihan’ireo mpilalao sy ny teknisianina rehetra satria mitombo ny vola ho raisina.
Ankoatra ny amboara lehibe sy ny medaly volamena ho an’ny ekipa tompondaka, hahazo lelavola 7 tapitrisa dôlara na 31 500 000 000 Ar. 4 tapitrisa dôlara miampy medaly volafotsy ny an’ny faharoa ary 2,5 tapitrisa dôlara kosa ny an’ireo ekipa tonga eo amin’ny manasa-dalana. 1,3 tapitrisa dolara ho an’
ireo ekipa 8 tafita eo amin’ny ampahefa-dalana. Hiakatra be ny maripanan’ny fahavitrihana satria mitombo ny vola horaisina.
Tompondaka