Miverina amin’ny laoniny tanteraka ny fifamoivoizana amin’ny lalam- pirenena fahafito (RN7). Miezaka manala ny tany mihotsaka amin’ny zotra an –dalamby ny FCE.
Vita tanteraka ny asa fametrahana ny tetezam-by «pont modulaire» vonjimaika any Mahazengy Fianarantsoa, eo amin’ny PK 416+300, afakomaly. Nandritra ny telo andro no nanaovana ny asa, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Voahaja ny fe-potoana. Efa miverina amin’
ny laoniny tanteraka ny fifamoivoizana. Afaka mampiasa azy daholo ny fiara rehetra, toy ny fiarakely, ny fiara mpitatitra, ny kamiao ary indrindra ny fiara vaventy.
Tapaka taorian’ny orambe, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, ny 2 janoary teo, ny lalana teo Mahazengy. Nokahoan’ny rano ny lalana RN7. Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny minisitra MTP, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Nototofana ny lalana, mba nahafahan’ny fiara mivezivezy. Taorian’izany, tonga tany an-toerana ny tetezam-by «pont modulaire», ary izao tafapetraka izao. Miverina amin’ny laoniny tanteraka, araka izany, ny fifamoivozana.
Ankoatra izany, anisan’ny nanimba ny famatsian-drano any Mahazengy koa ny rivodoza Alvaro. Efa am-perinasa tanteraka ny mpiasan’ny Jirama, mametraka ny fantson-drano PHD, nanoloana ireo simba.
Zotra an-dalamby
Anisan’ny nahitana fihotsahan’ny tany koa ny zotra an-dalamby, Fianarantsoa-Manakara (FCE), vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro ihany. Voatery naato ny fifamoivozana, noho izany. Miisa sivy ny toerana nihotsahan’ny tany ka efa manenjika manarina izany ny ekipan’ny FCE. Fototry ny fivelomana sy ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra any amin’iny faritra iny ny zotra an-dalamby, mirefy 163 km, indrindra ireo kaominina sy fokontany, toy ny any Tolongoina, Ranomafana, sns.
Njaka Andriantefiarinesy