“Ny atao hoe minisitra
amin’ny teny latinina dia mpanompo. Manompo izany fa tsy hoe tompoina. Mpanompo hanasoa ny vahoaka, mpanompo hiara-miasa amin’ny filoha, mpanompo tena vonona handray anjara…”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, momba ny fandrafetana governemanta. Mahalala ny vina sy ny soritr’asan’ny filohan’ny Repoblika ny Praiminisitra, tsy maintsy miara-miasa aminy. Toy izany koa ireo minisitra. Ekipa iray fa tsy hisy volo manoha randrana.
Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra ny filoha: olon-kendry, manana velirano sy fandaharanasa izay misy andry telo lehibe, mahafantatra ny vahoaka… Noho izany, olona resy lahatra amin’izany ny Praiminisitra sy izay ho minisitra: tsy olon-kafa amin’ ny filoha izany, fa hitondra anjara biriky miaraka aminy. Tsy izao vao hitsapatsapa kianja sy hanao ankadasitra, fa olona manana fahendrena sy fahaiza-manao ary mahay miaina. Rehefa vitany izay, hainy ny manao ny asa rehetra amin’ny departemanta misy azy ary tafapaka any amin’ny fototra.
Hisokatra amin’ny mpanohitra sa tsia ny governemanta? Matoky ny fahendren’ny Praiminisitra izy. Tsy efa nisokatra ve tamin’ny fampivondronana talohan’ny fifidianana? Ny olona sisa no hotendrena amin’ny toerany, na ny toe-tsainy, na ny ny fahaizany, na ny fahendreny, na ny politikany, na ny fahaiza-miainany… Heveriny fa tsy maintsy ho voajerin’ny Praiminisitra izany.
R. Nd.