Mampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa misokatra ny fandraisana antontan-taratasy fangatahana hanavao ny fahazoan-dalana ho an’
ireo orinasa na olon-tsotra misehatra amin’ny fitaterana entam-barotra na mpianatra na mpiasa…Ao amin’ny varavarana faha-36, ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, no hametrahana izany.
Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankarana, Ankazobe, ny fianakaviamben’ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Kaominina Atananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Zana-kazo 1 000 nambolena tamin’ny velaran-tany 20ha. Hanara-maso akaiky ny voly hazo ireo mpiandry tanàna izay karamain’ny kaominina manokana.
Tsy hisy rivodoza hananontanona ny Nosy ao anatin’ny 5 andro. Ny volon’androm-pahavaratra no hanjaka. Hanevokevoka ny hafanana ho an’ny afovoantany ao anatin’ny 3 andro misesy. Hitsitokotoko ny oram-baratra ary tsy hisy ny tranga mahery vaika raha ny vina ao anatin’ny 3 andro ho avy.
Tokantrano 535 no nisitraka tohana avy amin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny Ong Direct Aid, tao
amin’ny kaominina Ambalaroka. Traboina vokatry ny haintrano ireo ankohonana ireo. Nahitana kojakoja ilaina andavanandro sy sakafo ny tohana voarainy. Nankahery azy ireo ny minisiteran’ny Mponina ary nanantitra ny fahamailoana hatrany amin’ny afo.