Naneho ny heviny manoloana ny fomba fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nohitsin’izy ireo fa misy manjavozavo ny lalàna momba izany.
Tsy mitovy ny fomba fandraisana. “Samy manana ny fahazoany ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana: ny filohan’ny Repoblika no manendry ny praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro anisa eo amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny filoha nasionalin’ ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, momba ny fanendrena Praiminisitra. Ny antoko na vondrona antoko maro anisa eo amin’ny Antenimierampirenena izany no mivory dia manolotra olona iray, ary ny filohan’ny Repoblika no manendry azy ho Praiminisitra. Izay no fahazoan-dry zareo KMF/Cnoe azy. Tsy misy miteny hoe manendry ny iray amin’ireo anarana telo atolotra ao amin’io And. 54 io, araka ny fanazavany. Avy aiza àry ny hoe manolotra anaran’olona telo?
Tsy manan-jo
Ny olana ho an-dry zareo: tsy manan-jo hangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny avy amin’ny firaisamonina sivily manara-maso ny fiainam-pirenena. “Raha manana zo izahay, mangataka amin’ny HCC hoe: ahoana ny fahitany an’io voalaza io? Fa ny fahitanay an’io dia tsy manan-tsafidy ny filohan’ny Repoblika, fa mametraka ny voninahitra sy ny fahefan’ny parlemanta izay solontenan’ny vahoaka”, hoy izy. Atolotry ny solontenan’ny vahoaka malagasy ny Praiminisitra, fa ny filohan’ny Repoblika no manendry. Ny solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena izay solontenan’ny vahoaka izay.
R. Nd.