Mandray anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny haikanto. Hita taratra izany amin’ny ranty, « La Nouvelle Terre, Ilay Tany vaovao », hitaomana ny olona ho tomponandraikitra amin’ny tany.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy, teny amin’ny Hakanto Contemporary, Ankadimbahoaka, ny fampirantiana «La Nouvelle Terre, Ilay Tany vaovao». Aharitra hatramin’ny 20 Avrily izany. Mpahay kanto dimy, samy manana ny maha izy azy no maneho ny haikantony: Richianny Ratovo, i Amir J, i Joey Aresoa, i Jo Aina ary ny an’ny Clipse Tean. Ny manodidina ny tany sy ny tanindrazana, ary ny tontolo iainana no voizina ao anatin’ny hetsika «La Nouvelle Terre, Ilay Tany vaovao».
Ambohipihaonan’ny mpankafy azy dimy mpahay haikanto teny Ankadimbahoaka, ny faran’ny herinadro. Tomefy olona ny efitrano nanaovana fampirantiana, nisantatra voalohany ny «La Nouvelle Terre, Ilay Tany vaovao». Raha tsiahivina, mandravaka ny rihana faharoan’ny Hakanto Contemporary ny haikanton’izy ireo. Anisan’ izany ny «Somambisamby» an’i Richianny Ratovo, ny «Mankaiza» sy «Izao» an’i Clipse Tean, Ny «Mandry tsara» an’i Joelle Aresoa sy ny an’ireo mpahay kanto hafa mandray anjara amin’ny fampirantiana.
Ho an’ny Tanindrazana
Ny zava-misy iainan’ny tanindrazana sy ny tany iainana no antony nahatonga ireo mpahay kanto hanao ny hetsika. «Misalasala izy ireo kanefa koa maneho ny faharesen-dahany tanteraka. Fantatry ny fony ny fahamarinan’ny tany, ao anatin’ny fanahiny lalina sy ny sanganasany”, hoy Andrianomearisoa Joel, tomponandraikitry ny hetsika. Fampahatongavan-tsaina ny olona manoloana ny zava-misy eo amin’ny tanindrazana, izany hoe, ny firenena sy ny tany iainana, ny tontolo iainana, araka izany, no tanjona.
Lin