Nitsoraka tao Ikopa ilay mpanendaka natahotra fitsaram-bahoaka. Tsy nahay nilomano, niantso vonjy. Mainka novelesin’ny olona kobay ka nilentika. Tsy hay na maty na velona !
Vehivavy iray avy niasa, hamonjy fodiana eny amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, kaominina Anosizato Andrefana no voalaza fa nendahin’ny jiolahy iray. Avy niala tamin’ny taxi-be, nifanehatra tamin’ny olon-dratsy izy raha handeha handray lakana hiampita eny an-tanànany. Nambanan’ ilay mpanendaka tamin’ny antsy. Norahonana mba hanome ny vola sy ny finday tany anaty poketra.
Tsy nanaiky lembenana ity lasibatra. Sady afaka nanohitra no niantso vonjy tamin’ny olona manodidina. Poa toy izay, nivoaka ny mponina. Nisy mpilalao baolina maromaro tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny fanendahana. Raikitra ny fifanenjehana. Nentin-tahotra, nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa ilay mpanendaka. Tsy nahay nilomano anefa izy. Nila vonjy tamin’ny mpaka fasika. Tsy noraharahin’ireto farany, vao mainka aza novelesin’izy ireo tamin’ny angady fitaovam-piasany. Nilentika tao anaty rano ity olon-dratsy, tsy nipoitra intsony, araka ny fampitam-baovao teny an-toerana. Tsy mbola fantatra, araka izany, na maty na velona ilay tovolahy. Tsy mbola nipoitra hatramin’ny omaly.
Tranga hafa
Mpandeha taksiborosy iray avy any Ihosy no nendahin’ny mpanendaka teo amin’ny Fasan’ny karana, omaly maraina. Tonga avy amin’ny taksiborosy izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy mody miandriandry ao amin’ny faritry ny fiantsonana. Very tamin’izany ny poketra misy vola niaraka tamin’ny finday. Variana nandray ny entana avy eny ambony fitoeran’entana izy no nanararaotra naka ny poketra sy ny finday tao anaty paosiny ireo olon-dratsy. Anisan’ireo fiantsonana mampitaraina ny mpandeha noho ny fisiana tsy fandriampahalemana ny eny amin’ny Fasan’ny karana.
J.C