Rally Dakar: ratsy vintana i Sebastien Loeb

Sendra ny vitan-dratsy ilay frantsay, i Sebastien Loeb, sy i Fabian Lurquin, mpanamory mpanampy azy, teo amin’ny sokajy fiara amin’ny Rally Dakar. Ny sabotsy lasa teo, indroa vaky ny kodiaran’ny fiara nentin-dry zalahy tao anatin’ny fanatanterahana ny dingana voalohany mampitohy an’i Al-Ula sy Al-Hena­kiyah, mirefy 414 km, tao Arabie Saoudite. Vokatr’izay fahavoazana izay, very 23 mn ny fe-potoanan’izy ireo, hany ka tany amin’ny laharana faha-20 no nisy azy ireo.
Tojo fahavoazana toa azy mirahalahy ireto koa i Nasser Al-Attiyah sy i Mathieu Bau­mel. Very 2 mn, taorian’i Loeb ry zareo. Tra-pahavoazana ihany koa ny fiaran’i Peter­hansel, nitana ny laharana faha-24. Norombahin’ilay Bel­zà, Guillaume de Mevius, nitondra ny fiara Toyota, io dingana voalohany io. Tonga faharoa, ilay espaniola, i Carlos Sainz.
Nitohy omaly alahady ny dingana faharoa, nampitohy an’i Al Henakiyah sy Al Du­wadimi, misy halavirana 655 km. Nanarina ny fahavoazany ry zalahy ka nitarika indray i Peterhansel, narahin’i Se­bastien Loeb. Ilay Silianina, i Jose Ignacio Cornejo Florimo, no lohany eo amin’ny fitondrana moto. Teo amin’ny Quad, mitarika ilay brezilianina, Marcelo Medeiros. Tsiahivina fa tsy mbola niditra an-tsehatra ny SSV sy ny an’ny Ca­mion. Hitohy amin’ity alatsinainy ity ny dingana fahatelo ka hotanterahina any Al Duwa­dimi sy Al Salamiya.

Tompondaka

Partager sur: