Efa mihasimba tanteraka ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina eto ambonin’ny tany ankehitriny. Vokatry ny tsindry ataon’ ny olombelona avokoa ny anton’ izany. Anisan’ny misedra olana noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny mpanjono sy ny mpampiasa ranomasina.
Miaina eto ambonin’ny tany avokoa ny karazan-javamananaina rehetra, raha ny tontolo iainana no resahina. Anisan’izany, ny biby sy vorona isan-karazany, ny zava-maniry, ny ranomasina sy ranomamy ary ny rivotra… Ilaina ary tsy afaka misaraka amin’ny fiainan’ny olombelona avokoa ireny rehetra ireny. Simba tanteraka anefa ny tontolo iainana sy ny zavamanaina ao anatiny vokatry ny tsindry sy ny fanapotehana ataon’ny olombelona. Misy fiantraikany goavana eo amin’ny asa sy ny fiveloman’ny olona mihitsy izany.
Manomboka mitaraina ankehitriny ny mpanjono any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpanjono. « Tsy mahatratra ny fetran’ny lanjan’ny hazandrano tokony hiakatra intsony ny trondro azon’ny mpanjono iray», hoy ny fitantaran’ i Tonton Jean Fréderic. Nilaza izy fa mihen-danja hatrany ny hazandrano azon’izy ireo mandritra ny fotoana handehanana miandriaka. Nambarany hatrany fa marobe ihany koa ny tsindry mahazo ny ranomasina sy ny mpanjono ka antony mahatonga izany.
Voalohany indrindra, ny fahasimban’ny anatin’ny ranomasina sy ny biby monina ao aminy. Maro ireo olona manimba ny karazam-biby miaina sy mivelona ao. Anisan’izany, ny koray, izay hitoeran’ny hazandrano, raha ny zava-misy any an-toerana. Simba, araka izany, ny tranon’ireo hazandrano ka lasa mifindra monina an-toeran-kafa ny ankamaroany. “Mitazam-potsiny ireo olona manimba ny koray hitoeran’ny trondro ny fitondram-panjakana isan-tokony ankehitriny”, hoy hatrany izy. Faharoa, mivarina ao anatin’ny ranomasina sy ranomamy avokoa ny maloto sy ny fako rehetra entin’ny olombelona. Toy ny rano maloto misy simika sy solika avy amin’ny karazana orinasa isan-tsokajiny. “Tsy mandray fepetra manoloana izany ny tomponandraikitra misy”, raha ny fanazavana hatrany. Fahatelo, tsy manaja ny fari-panjonoana manodidina ny 2 000 mels ihany koa ny ankamaroan’ny sambo vaventy. Mandroaka ireo karazana zana-trondro rehetra eny amin’ny sisin-dranomasina ireo sambo vaventy ireo, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Vokany, tsy afaka miasa ara-dalàna, noho izany, ireo mpanjono madinika ka velon-taraina.
Tapitra ny ala sy ny nofontany
Fantatra fa miha miakatra hatrany ny maripana eo amin’ny toetr’andro maneran-tany, amin’izao fotoana izao. Tsy ampy ny rivotra noho ny fanimbana ataon’ny olombelona hatrany. Manampy izany ny fanapahana hazo tsy nahazoana alalana ataon’ny ankamaroan’ny olona. Nefa vitsy amin’izy ireny no mamboly izany. Maty ary simba ihany koa ny nofontany vokatry ny tsindry ara-doro tanety ataon’ny tantsaha maro. Mitarika fahasimban’ny biby mandady sy voromanidina ary karazan-javamaniry tokony hanaovan’ny mpikaroka malagasy fanafody ihany koa. Tsindry ataon’ny olombelona ihany koa ny fahalotoan’ny tanàna maro samihafa manerana ny faritra isan-karazany. Tokony handray andraikitra sy hiaro ny tontolo iainana avokoa ny rehetra. Mba hitondra vokatsoa eo amin’ny fambolena sy ny tontolo iainana izany.
Hazaina ataony sakafo ny biby mitsambikina
Ankoatra izay, iharan’ny tsindry ihany koa ny karazan-javaboahary rehetra misy eto amin’izao tontolo izao. Raha ho an’ny voromanidina sy biby mandady ary ireo mitsambikina manokana. Olana sedrain’izy ireo ny firongatry ny fihazan’ny olombelona ka anaovany sakafo ny biby any an’ala. Voakasik’izany ny biby mitsambikana, toy ny gidro, ny varika… Tazana eny amin’ny solaitrabe misy ny karazana sakafo anio, eny amin’ny hotely, ny biby mitsambikina, raha ny fidinana ifotony natao tany amin’ny kaominina iray ambanivohitr’i Moramanga. Hita nandritra izany, ny laoka antsoina hoe “Ramabikina”, izany hoe, varika.
Ahitana izany ihany koa any amin’ny lalam-pirenena fahadimy mihazo an’ i Mananara sy Maroantsetra. Fantatra, tamin’izany, fa anisan’ny laoka any amin’ny hotely any an-toerana ny “Fanihy”. Tena tian’ny mpanjifa atao laoka rehefa misakafo izy io, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivarotra tany an-toerana. Eo koa ny fahitana laoka voay na mamba. Hita indrindra any amin’ny toerana manamorona ny lakandranon’ny mpangalanina.
Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fambolena sy ny fikarohan’ny mpikaroka ireo zava-miseho ireo. Anisan’izany ny faharinganan’ny biby, izay mampiavaka an’i Madagasikara.
Nanatontosa : Sajo