Hitohy amin’ny fiatrehana fifidianana depiote ny ho firafitry ny tontolo politika, araka ny nambaran’ny KMF/Cnoe . “Karazan’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena io ary tokony hatao mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna izany”, hoy izy ireo.
Nanamafy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, teny Faravohitra, ny sabotsy teo, fa tsy ara-dalàna iny fifidianana iny. “Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Mitohy ny tolona ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara ho tan-dalàna”, hoy izy nanoloana ny tanora sy ny vehivavy Tim.
Tsy eto an-tanindrazana ny sasany amin’ireo kandidà mivondrona ho C11. Anisan’izany, Rajaonarimampianina Hery sy Randrianasoloniaiko Siteny. Hivory izy ireo rehefa samy tonga eto an-toerana ary mety hiova anarana ho Vondron’ny kandidà fotsiny fa tsy ho C11 intsony. .