Foibe CGA: Tantsoroka ho an’ny mpandraharaha

Tsy mandoa hetra ! Ao anatin’ny sehatry ny tsy manara-drafitra, tsy mijoro araka ny lalàna, ny 80% amin’ny asa fihariana eto Madagasikara, araka ny tombana nataon’ny foibe fitantanana ny hetra. Mahatratra 46% ny vesatra entiny amin’ny toekarem-pirenena. Anisan’ny tena ahitana azy ny sehatry ny varotra madinika, ny asa tena, sns.
Napetraka, noho izany, ny Foibem-pitantanana nahazo alalana (CGA), ahafahana mampiditra azy ireny tsikelikely eo amin’ny sehatra manara-dalàna. Anisan’izany ny nananganana ny CGA ao amin’ny foiben’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara etsy Analakely, ny 21 desambra 2023 teo. Maro ny tombontsoa ho sitrahan’ny mpikambana ao amin’ity ivontoeram-pitantanana ity. Anisan’izany ny torohevitra sy ny fampiofanana isan-karazany, sady ho tantsoroka ho fanamorana ny dingana arahina eny amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Eo koa ny tantsoroka amin’ny fomba fitantanana sy ny lafiny hetra, ho an’ny mpandraharaha.
Manohana ara-teknika sy ara-bola ny fananganana ny CGA ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud).

Njaka A.

Partager sur: