Marovoay: Kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha

Mitohy hatrany ny fanohanana mivantana ny tantsaha mpamboly, hampitomboana ny vokatra sady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nozaraina ny 6 janoary teo ny kojakojam- pamokarana ho an’ny tantsaha ao amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe Marovoay, faritra Boeny. Miisa 234 ny mpamokatra nisitraka izany, nahazo masomboly vary an-drano milanja 3 510 kilao, zezika NPK 5 850 kilao, zezika biolojika 29 250 kilao.
Tsiahivina fa ao anatin’ny tetikasa Purpa no nahafahana nanatanteraka izao tantsoroka mivantana ho an’ny tantsaha izao, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Mamatsy vola azy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), miara-miasa akaiky amin’ny Tahirimbola ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena (FDA).

Fanatsarana ny fari-piainana
Marihina fa ny 10% amin’ny saran’ireo kojakojam-pamokarana ihany no aloan’ireo tantsaha misitraka ny tetikasa Purpa. Anisan’ny antony hanohanana azy ireo, ny hananana kojakojam-pamokarana, hanatsarana ny vokatra, sady hampiakarana ny fitomboana ara-toekarena isam-paritra. Ary indrindra koa ny hampitombo ny fidiram-bola sy hampiakatra ny fari-piainan’ny isan-tokantrano eny ifotony.

Njaka A.

Partager sur: