Tsy ao anatin’ny midim-bolana be no hipoiran’ny taona vaovao. Isaky ny 1 janoary, mankalaza sy manome haja ny andriamaniny ny Grika. Nalain’ny Romana tahaka izany ka izao arahina ao anatin’ny fanisana andro gregorianina izao. Tantara fohy nahatonga an-dRamalagasy hifampiarahaba fa tratry ny taona vaovao io. Noho ny tsy fahampian’ny fahalalana no niteraka ny tranga tahaka izany. Tsy hifanomezan-tsiny, satria, samy nanana ny loharanom-pahalalany ny tsirairay.
Ilay tsy fahalalana, eo ihany, fa ny tsy fanekena hahitsy mihitsy no tena zava-doza. « Tsy taom-baovao izany io 1 janoaray io ». Ho setrin’izay : « ka maninona no io no arahin’izao tontolo izao tao anatin’ny 2000 taona mahery » ? Na, « ianao angaha mahay noho ny vazaha » ? Ny fanarahan-davahana no nandatsaka ity firenena ity any anaty hantsana magitsokitsoka tahaka izao.
Manomboka misongadina tsikelikely ilay tsy fahafahan’ny Malagasy mandini-javatra intsony. Na inona lohahevitra dinihina, mihamaivana andro aman’alina ny adihevitra na fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy Malagasy. Manoloana tranga iray na maromaro, mipoitra etsy sy eroa ireo karazana hevi-dravina isan-karazany.
Ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara mihitsy no simba. Ireo lazaina ho mpanabe, tsy mahavita ny adidiny. Tsy manana ilay fahalalana hampitaina ihany koa, angamba. Zara raha mahafantatra ny momba azy (tany, teny, fomba amam-panao, kolontsaina…) ka aleo mangina. Rehefa tsy mahalala, tokony manaiky mianatra fa tsy miziriziry amin’ny tsy fahaizana sy tsy fahalalana. Tsy ho afaka ny hanabe na hanoro na hampianatra ny olona raha tsy manana fahalalana tsara fototra !
HaRy Razafindrakoto