Nandriaka ny ra : Ben’ny Tanàna maty voatifitra

Maty tsy tra-drano! Voatifitry ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao amina kaominina Andranomiely, Ankazobe. Jiolahy telo kosa maratran’ny balan’ny zandary.

Nataon’ny dahalo hazalambo! Maty voatifitra ny ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andra­no­miely, distrikan’Ankazobe, ny alahady 7 janoary teo, tamin’ny 11 ora alina. Nangingina nandritra ny herinandro vitsy ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana, nanao ny ataony indray ireo olon-dratsy.
Tsy fantatra mazava ny anton’ny nikarohan’ireo dahalo ilay ben’ny Tanàna lasibatra. Sady Tsy nangalatra omby no tsy nandroba izy ireo. Nanao be fiavy, nitady ilay olom-boafidy. Vantany vao hitany izy, tsy nisy alaharo, notifirina variraraka. Rotidrotiky ny bala, tsy tana ny ainy. Ahiana ho lonilony manokana no namonoan’ireo dahalo azy, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka fa tsy fantatra ny anton’ny famonoana”, hoy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria, Ankazobe.

Dahalo telo voatifitra
Mitohy hatramin’ny omaly alina, ny fanarahan-dia ireo dahalo nanao io habibiana io. “Voatifitra ny telo tamin’izy ireo saingy mbola nentin’ny namany nandositra”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. “Manao hazalambo azy ireo izahay”, hoy ny loharanom-baovao.
Marihina fa nitohy hatry ny omaly, any Kiangara, tanàna nalaza ratsy tamin’ny fakana an-keriny ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny vatan-dehilahy an’arivony. Andra­sana kosa ny vokatry ny fanarahan-dia ataon’ny zandary ireo dahalo namono ilay ben’ ny Tanàna tao Andranomiely.

Tsiferana R.

Partager sur: