Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany…: anisan’ireo andrin’ny tantara an-tsary sy sariitatra R. Alban

« Vato ambany riana » ny tantara an-tsary tena nahafantarana azy. Marobe anefa no nisy ny dian-tanan-dRamiandrisoa Ratsivalaka Alban, ka manome voninahitra azy, noho izao fodiamandriny izao, avokoa ireo mpisehatra eo amin’ny haisary.

Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ny alin’ny alahady teo. Nodimandry Ra­miandrisoa Ratsivalaka Alban na Ramose Alban na ihany koa i Banou, arakaraka izay nahafantarana azy. Lavo teo amin’ny faha-60 taonany izy, vokatry ny aretina efa nitaiza azy, raha ny fanazavana azo. Misaona miaraka amin’ny fianakaviany ny fianakaviamben’ny haisary, ny tantara an-tsary ary ny sariitatra eto Madagasikara. Anisan’ireo andry lehibe teo amin’ity sehatra ity mantsy no lavo, ary misy dian-tanan-dR.Alban ny tantaran’ny haisary.
« Satriko tsy hiresaka fahafatesana, saingy tsy afaka ny tsy hanome haja an’ity zokibe ity aho. Zoky, raiamandreny, namana, miara-mikatroka teo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary ary anisan’ireo nanampy ara-kevitra sy ara-teknika », hoy ny filazan’i Riri. « Mpiana­ny aho avy eo lasa mpiara-miasa. Izy iny nataoko sariitatra mivoaka isan’andro eto amin’ny pejy fahafito, an’ny gazety Taratra iny », hoy kosa Ramafa na i Lekary.
Toa azy mirahalahy ireo, marobe ireo mpanao sariitatra sy tantara an-tsary nanovo fahalalana, nampiana ary notohanan’i Alban. Vokatry ny traikefa azony nandritra ny taona maro teo amin’ity sehatra ity no nahafahany nampita izany. Tany amin’ny voalohandohan’ ny taona 80 tany mantsy no nanomboka nilomano tao anatin’ny haisary Ramian­drisoa Ratsivalaka Alban. Nano­m­boka teo amin’ny faha-7 taonany izy no nampiana-tena, nandika ireo sary amin’ny tantara an-tsary nankafiziny. Nandalina betsaka ny teknikan’ny fanaovan-tsary taorian’izay, nifanindran-dalana tamin’ny fianarana hafa norantoviny.
Tao anatin’ny vanim-potoana niroborobon’ny tantara an-tsary manerana izao tontolo izao sy teto Mada­gasikara manokana no na­nomboka fantatra i Alban. Namoaka sary tao amin’ny Fararano Gazety » (Maki le Babakoto), Madagascar Matin (Nirina mpanao baolina). I Alban ihany koa no nanao ny « Somonga », sariitatra tao amin’ny Midi Madagasikara. Ny faramparan’ny taona 80 izy no nanangana sy nitantana ny Soimanga, izay nikambanan’ireo mpanao sary vao misandratra sy ireo efa manana traikefa. Nanampy sy namoaka mpanao sary maro ny Soimanga, izay malaza hatramin’izao. Nalaza indrindra tamin’ny tantara an-tsary navo­akan’ity andrarezina ity ny « Vato ambany riana », Fa teo ihany koa ny « Ra­salama », « Faralahy mpahay mazia », sns. Tena nahafantarana azy koa ny sary fanentanana, nanomboka tao amin’ny gazety boky Vintsy, izay notohizany tamin’ny sehatra hafa nilana izany, indrindra fa nifameno tamin’ny asany maha mpikirakira ny serasera izany.

Zo ny Aina

Partager sur: