Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2024 ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany faha-8. Ny Fondation H, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy monina eto Madagasikara ny hetsika. Tanjona ny hanomezana tosika sy fampivelarana azy ireo amin’ny haikanto sy ny tetikasany.
Malagasy mpanakanto maro no efa tafasandratra noho ny fifaninanana « Prix Paritana ». Maro ny tombontsoa azon’ny mpandresy amin’ny fifaninanana ankoatra ny maha mpandresy azy sy ny loka azony ao anatin’izany. Anisan’izany ny fanohanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’izay mpandresy. Eo ihany koa ny fiofanana sy atrikasa ary fivelaranana eo amin’ny sehatry ny haikanto. Marihina fa 3000 euros no azon’ny laharana voalohany amin’ny fifaninanana, miampy fivahinianana any amin’ny Cité internationale des Arts any Paris. Manana fahafahana hanao fampirantiana iray any Paris sy iray eto Madagasikara ihany koa izay laharana voalohany.
Tsy mifidy fa ny fampandrosoana ny haikanto malagasy no tanjon’ny hetsika. Hisy ny tohana sy torolalana ho an’ny liana handray anjara amin’ity andiany fahavalo ity. Eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 25 janoary 2024.
Lin