Fanomezam-boninahitra an’i Ndrematoa no hanokafan’ny IFM Analakely ny andiana hetsika ao aminy amin’ity taona ity. Fampirantiana ny sanganasan’ity mpanao tantara an-tsary sy sariitatra vao nodimandry volana vitsy ity no hatao manomboka anio hatramin’ny faran’ny volana janoary. Niasa aman-taonany tao amin’ny IFM ny tenany, ka misy mifamatotra amin’ny toerana ireo sanganasany ireo.
«Masoso-paty », sanganasan’i Princio vaovao. Vazo miteny amin’ny fanaovany azy ary tsy mivaona amin’ny nahafantarana azy ity hira ity. Tononkira miady rima, miendrika hatsikana fa misy hafatra hatrany ity nanombohany ny taona ity. Anaram-behivavy maromaro no voatonontonona ao anatin’ny hira, satria miresaka momba ny fitiavam-bola noho ny tena fitiavana ny hira.
« Concert du nouvel An ». Fampisehoana voalohany tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Madagascar Mozarteum amin’ity taona ity. Ry zareo avy ao amin’ny Choeur Miangaly, tarihin’i Antsanirina Rakotoarimino, no hanatanteraka izany ao amin’ny AFT Andavamamba, ny 12 janoary izao. Natao ahatsiarovana an’i Claudio Monteverdi sy hianohana feon-kira malagasy.
Maro ny hetsika hokarakarain’ny Centre de ressources des arts actuels de Madagascar (CRAAM) Ankatso, amin’ity taona ity. Mankalaza ny faha-10 taona nisiany ity ivontoeran’ny haikanto sy ny kolontsaina ity. Hisy, araka izany, ny fampirantiana sy fampisehoana ary tafatafa iarahana amin’ny mpahay kanto maro samihafa, entina hanamarihana izany.