Miakatra hatrany ny vidin’ny hena! Mananika ny 24 000 Ar ny iray kilao amin’ny henan’omby. Miakatra koa ny vidin’ny henan-kisoa.
Talohan’ny fetin’ny faran’ny taona no efa nahitana fiakarana ny vidin’ny hena. Mbola mitombo hatrany izany. Tafakatra 24 000 Ar ny kilaon’ny henan’omby etsy Antohomadinika. Manodidina ny 21 000 ar/kg raha hena mifangaro. “Hatreny amin’ny mpamongady no miakatra ny vidin’ny hena”, hoy i Nasolo, mpivaro-kena etsy Antohomadinika. Mitovy ny vidin’ny henan’omby sy ny henan-kisoa: 21 000 hatramin’ny 22 000 Ar izany raha eny amin’ny tsenan’Analamahitsy sy ny tsenan’Analakely. 20 000 hatramin’ny 22 000 Ar ny sôsisy. Nanamafy izany i Menja, mpivaro-kena etsy Analamahitsy: “19 000 no andraisanay henan’omby sy henan-kisoa eny amin’ny mpamongady eny Anosibe ary efa ho 20 000 Ar/kg raha misafidy ny nofony”.
Niakatra hatreny amin’ny mpamongady
Mpamongady omby etsy amin’ny abatoaran’Anosizato nandritra ny 15 taona mahery Ramano. Amidiny 14 000 hatramin’ny 15 000 ny henan’omby matavy. Mahatratra 140 kg ny omby iray ialan’ny taovany, ny lohany, ny tongony sy ny rambony. Amidy 300 000 ar kosa ireo taovany miaraka ireo. 16 000 Ar/kg ny henan-kisoa miainga eo Anosizato. 40 hatramin’ny 100 kg mahery ny kisoa iray. “Tena niakatra ny vidiny raha oharina tamin’ny herin-taona, izay nanodidina ny 13 800 Ar/kg farany ambony. Talohan’ny volana desambra, efa 14 400 Ar kg”, hoy hatrany ny fanazavany.
Vitsy ny omby amin’izao voalohan’ny taona izao. Toy izany koa ny kisoa. Matetika mbola tsy mampakatra omby ny mpandraharaha. Nanamafy koa Ramano fa “anisan’ny antony nampiakatra azy, tamin’ity taona ity, ny lalana tapaka vokatry ny rivodoza”. Mbola nohazavainy fa : “Mety mbola hiakatra ny vidin’ny henan-kisoa miohatra ny henan’omby. Ny henan’omby no mety hidina afaka tapa-bolana satria efa misokatra ny lalana ary efa tonga daholo ny mpanangona omby eny ambanivohitra”.
Henintsoa Hani