Beraketa – Andohanilakaka: nesorin’ireo jiolahy ny mason’ilay raim-pianakaviana

Nitrangana vonoan’olona feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Beraketa Malio, kaominina Andohanila­kaka, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Raim-pianakaviana iray mpivarotra saribao monina ao Bepeha Andohanila­ka­ka no maty notifirin’ireo jiolahy. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’ireo malaso koa ny masony roa rehefa avy notifiriny. Voalaza fa maromaro ireto mpanao saribao ireto no niara-dia. Tratran’ny tifitra variraraka tampoka anefa izy ireo tao Beraketa ka samy nanavotra ny ainy. Ity raim-pianakaviana ity voatifitra teo amin’ny tratrany sy ny tongony ka tsy afa-nihetsika intsony. Nalain’izy ireo ny masony, raha ny fanazavan’ireo mpanao saribao namany. Telo lahy nitondra basy no tompon’ antoka tamin’izao vonoan’ olona feno habibiana izao, araka ny tatitra nampitain’ireo namany hatrany. Tsiahivina fa ny faran’ny volana desambra 2023 lasa teo no nisy roa lahy mpanao saribao efa nisy nitifitra koa teo amin’io lalana ao Beraketa Malio io. Notapahan’ ireo jiolahy ny lohan’ny iray amin’izy ireo. Mirongatra ny halatra voamaso sy ny fanapahan-doha ao Andohanilaka­ka. Mitaintina, araka izany, ireo mpanao saribao amin’ny afitsok’ireo jiolahy.

Manahy ny mponina fa ahina ny tsy hisian’ny saribao ao amin’ity faritra malaza
amin’ny safira ity raha tsy misy ny fandraisana andraikitra matotra avy amin’ ny fanjakana.

Jean Claude

Partager sur: