Coach Rôrô : nanomboka omaly ny fiofanana

Ny alahady lasa teo no nanainga teny Ivato, hihazo an’i Frantsa, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hiatrika fiofanana no anton-dian’ity mpanazatra ity any an-toerana ary efa nanomboka omaly izany. Marihina fa klioba telo no hanaovan’ity Malagasy teknisianina ity fiofanana any an-toerana. Anisan’izany ny ekipan’ny RC Lens Frantsa, divizionina voalohany (D1), Brest D1 Frantsa, sy ny Paris FC divizionina faharoa (D2). Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 27 janoary ho avy izao ity fangalana traikefa ataon’i Coah Rôrô any Frantsa ity.
Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry an-dRakotondrabe Romuald Felix, ny hanaovan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Manomboka ny volana jona ho avy izao, hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatra amin’ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026” i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), miisa efatra ireo firenena hisafidianana hanao lalao ara-pirahalahiana amintsika, ny volana marsa ho avy izao.

F. R

Partager sur: