FANTINA sy FINTINA

Misy koa ireo teratany malagasy avy any ivelany, maniry ho minisitra ka nandefa ny mombamomba azy (CV) amin’ny alalan’ny “Mailaka”. Tsy maintsy aterin-tanana kosa ireo kandidà ho minisitra avy eto an-toerana.

“Tsy hanatitra ny dosie mombamomba ahy (CV) na aiza na aiza aho sy ny antoko MMM”, hoy ny fanambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Valibontana ho an’ireo nanely fa anisan’ireo nanatitra dosie ho minisitra ny tenany izany.

Tsy manantena asa mivaingana ho vitan’ny praiminisitra ny eo anivon’ny antoko Vami, tarihin’i Gaby Vakiniadiana. Nohitsiny fa tsy hita mangirana tamin’ny fe-potoam-piasana teo aloha ny momba ireo “Raharaha volamena sy ny hazo sarobidy”. “Tsy azo inoana intsony ireo”, hoy izy.

«Mila fiomanana anatin’ny fotoana ela ny fitondrana firenena», hoy ny filohan’ny antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny atrikasa nataon’izy ireo tetsy Anosy, omaly. Miezaka manao ny fitaizana politika ny mpikambana ao aminy koa ny antoko.

Partager sur: