Olona roa efa lasibatra : mpaka an-keriny folo lahy voasambotra

Dahalo roa lahy tompon’antoka amin’ny fakana an-keriny sy ny mpiray tsikombakomba aminy valo lahy azo sambo-belona tao amin’ny kizon’i Mandavolo, fokontany Ampamoty, kaominina Antsalova, ny 7 janoary teo. “Mpiara-miombona antoka amin’ireo roa lahy ireo ny efatra ary voasaringotra anaty fanadihadiana ny efatra hafa”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Kaompania Zandarimaria Melaky. Ankoatra azy ireo, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana ny dahalo iray niravaka moara tao amin’ny lalana mampitohy an’Antsalova sy Antseranandaka. Nilanja basimborona koa io dahalo io. Naka takalon’aina, ilay renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Antseranandaka, ny 27 desambra teo, io dahalo iray io. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary ity dahalo ity ka niezaka nandositra. Vokany, maty voatifitra izy.

Tsiferana R.

Partager sur: