« Prix Kourouma 2024 » : voafidy hifaninana ny boky « Za Koa » an’i Hary Rabary

Mitombo hatrany ny Malagasy mpahay kanto sy ny haikantony, tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maro amin’izy ireny aza ny mandrombaka ny amboara mihitsy. Taratry ny fisian’ny lanjan’ny haikanto Malagasy izany.

Tafiditra ho anisan’ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana, «Prix Ah­madou Kourouma 2024”, i Hary Rabary, Malagasy mpanoratra, amin’ny alalan’ilay asa sorany anatin’ny boky «Za Koa». Mandritra ny «Salon du livre de Genève», atao any Suisse, ny 6 marsa hatramin’ny 10 marsa 2024, no hamantarana ny mpandresin’ny fifaninanana. Sambany hisy asa soratra sy Malagasy mpanoratra voafidy handray anjara amin’ny «Prix Ahma­dou Kourouma 2024” hatramin’ny nisiany, ny taona 2004. Fifaninanana natao ho an’ny Afrikanina mpanoratra, manoratra amin’ny teny Frantsay izy ity.
Ny herisetra ara-nofo misy eto Madagasikara no resahiny sy asongadin’i Hary Rabary ao anatin’ny «Za Koa». Nam­babo ny fon’ny mpankafy tantara ny fahaizan’ity mpanoratra ity nifidy ny teny nampiasainy sy nilalao izany. Tsy teto Madagasikara ihany fa niely hatrany ampitan-dranomasina ny ako sy ny lazan’ny boky “Za Koa”, anisan’ny antony nahavoafantina azy hiatrika ny “Prix Ahmadou Kourouma”.
Raha ny mahakasika ny “Prix Ahmadou Kourouma”, miisa 17 ny asa soratra sy mpahay kanto voafantina hifaninanana amin’izany. Tom­bony maro no azon’ny mpandray anjara, ankoatra ny fahazoana ny amboara 5 000 chf na 26 839 584,19 Ariary. Anisan’izany ny fahalalana maro samihafa eo amin’ny sehatry ny literatiora sy ny haisoratra. Hisy mantsy ny fifampizarana eo amin’ny samy mpanoratra, ankoatra ny valandresaka arahina ady hevitra mandritra ny hetsika.

Mitohy hatrany ny fahombiazana
Fifaninanana iraisam-pirenena fanindroany sahady ho an’i Hary Rabary sy ny asa sorany “Za Koa” ity. Raha
tsiahivina mantsy, efa anisan’ny voafantina hiatrika ny “Prix Orange du Livre Africain 2024» (POLA) ity boky ity. Ankehitriny, mbola anisan’ny hifaninana ao anatin’ny «Prix Ahmadou Kourouma 2024» indray izany.

 

Lin

Partager sur: