TARATRY ny KANTO

“Mampitia teatra”, miaraka amin’ny Tropy Jeannette. Fampiofanana teatra izy ity, izay natokana ho an’ireo ankizy 5 hatramin’ny 13 taona, ka liana
amin’ny fiakarana an-tsehatra. I Tsiory Ravaloson, mpilalao teatra sy tomponandraikitra ao amin’ny Tropy Jeannette no hiandraikitra izany. Natao mba hanabeazana, hampivoarana ny maha olona, hanomezana fahatokisan-tena, fikoloana ny saina sns, ho an’ireo ankizy izany. Afaka mifandray amin’ny tropy izay liana.

Alevina, anio, Ramiandrisoa Ratsivalaka Alban. Hiala ao an-tranony ao Antsahakely Besarety ny nofo mangatsiakan’ity andrarezin’ny haisary ity, ka hatao veloma farany ao amin’ny Chapelle militaire Ampahibe amin’ny 12 ora tolakandro. Hafenina eny amin’ny fasan-drazany eny Lazaina Avaradrano kosa aorian’izay. Niraradraraka ny fanomezam-boninahitra azy, noho ny dian-tanany lehibe ka tsy hay fafana eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary sy ny sary itatra.

Ankizy manodidina ny telopolo isa, avy ao amin’ny EPP Analakely, no nisitraka atrikasa fanenomana, omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Hay”. Fampisehoana sy fampianarana ary fampiharana ny mahakasika ny fanenomana no natao tamin’izany. Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Cisco Tanà-Ville ary ny fikambanana Ank’Izy no nahatanteraka ny tetikasa.

Partager sur: