Telovolana faharoa : fotoana hampiakarana ny fahaizan’ny mpianatra sy hamitana ny fandaharam-pianarana

Miditra ao ana­tin’ny telovolana faharoa ny taom-pianarana eny anivon’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa, afakomaly. Izay hifarana amin’ny 1 mar­sa, araka ny te­tiandrom-pampianarana 2023-2024.

Mifantoka amin’ny famerenana sy fampaha­tsiahivana ny lesona natao teo aloha ny ataon’ny mpampianatra ao anatin’ny herinandro fidirana voalohany. Mba hampiverenana ny sain’ny ankizy amin’ny fianarana taorian’ny fialantsasatra lasa teo. “Ao anatin’ity telovolana faharoa ity ny hampiakarana ny lentan’ny fahaizan’ireo ankizy tsy naharaka tany aloha”, hoy ny talen-tsekoly iray, Norolalao Pulchérie Sabine. Samy manana ny paikady entiny hitazomana ny fahaizan’ny mpianatra avokoa ny sekoly tsirairay manoloana izany. Anisan’izany, ny fampitovian’ny mpampianatra lenta ny ankizy tsirairay avy. “Tsapa manezaka sy manarina ny fitaovam-pampianarana tsy ampy ihany koa ny ray aman-dreny”, hoy i Lanto, mpampianatra eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray. Nilaza izy fa mila mifantoka amin’ny fampianarana ny mpampianatra. Mila miezaka mafy kosa ny ankizy mandritra izany. Ezaka ataon’ny sekoly tsirairay ihany koa ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana rehetra. Indrindra ho an’ny kilasy manomana fanadinam-panjakana, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. “Efa fanomanana tanteraka amin’ny fanalana fanadinana kosa ny telovolana fahatelo”, hoy hatrany ny talen-tsekoly, Norolalao Pulchérie Sabine.
Fotoana tokony hahavitana ny antsasaky ny fandaharam-pianarana, indrindra ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ity telovolana faharoa ity.

Andraikitry ny sekoly ny fiarovana ny mpianatra
Efa miha sarotra ny fanabeazana ny ankizy amin’izao fotoana, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Manana andraikitra goavana amin’izany, ny sekoly sy ny mpanabe rehetra. Anisan’ny paikady nataon’ny sekoly ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana rehetra eny an-tsekoly. Am­piharina avy hatrany ny sazy mifandraika amin’izany, raha toa ka misy tsy manaraka ny ankizy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Anisan’izany, ny tsy fahazoan’ny tovolahy mpianatra manalava volo sy manao kavina ila. Eo ihany koa ny tsy fahafahana manao pataloha rovidrovitra “destroy” ho an’ny rehetra.
Vahaolana hitan’ny sekoly tsy miankina sasany eto Ma­dagasikara ny fanaovana fiofanana. Raha ho an’ny sekoly tantanan’ny Frères Lasalia­nina manokana. Niatrika izany tetsy Soavimbahoaka, ny herinandro lasa teo, avokoa ireo mpanabe rehetra eo anivon’ny sekoly manerana ny Nosy. Vontoatin’ny fiofanana ny fiarovana ny ankizy. Izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fametrahana ny zon’ny ankizy izany sy mametraka izany ho laharam-pahamehana.
Maro loatra ny trangana herisetra na eny an-tsekoly na eny anivon’ny fiarahamonina. “Andraikitry ny sekoly amin’ny maha toeram-panabeazana azy ny fiarovana ny ankizy”, hoy ny lehiben’ny fikambanana lasaliana eto Madaga­sikara, Frère Ratsimbazy Julien. Nambarany hatrany fa anisan’ny manana andraikitra goavana manoloana ny lalàna misy eto Madagasikara izay tsy manome vahana ny fanasaziana, indrindra ny fikapohana ny mpanabe.

Misy fiantraikany ny tsy fanabedesana mpianatra

Sahirana sy matahotra ny ankamaroan’ny mpampianatra ny hibedy sy hanasazy ankizy amin’izao fotoana, taorian’ny lalàna mahakasika ny tsy fahafahana manasazy mpianatra, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sekoly tsy miankina hatrany. «Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fampitana fahalalana izany satria mahafantatra ny ankizy fa tsy azo atao an’izany ka lasa tsy miraharaha ny fampianarana», hoy hatrany ny Responsable pédagogique, Norolalao Pulchérie Sabine. Nambarany fa samy manao izay ho afany ny mpampianatra tsirairay mba hahatafita ny lesona sy hahavitan’ny ankizy ny entimody. Nohamafisiny hatrany fa misy ankizy tena mafiloha ka tsy manao izay asain’ny mpampianatra atao. Kamo ny mpianatra ary lasa tsy mahay satria tsy ho voasazy sy ho bedin’ny mpampianatra intsony. “Tokony ho jerena raha mety sy mifanaraka amin’ny kolon­tsaina eto Madagasikara ny rafitra arahina”, hoy ireo mpanabe. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, famoronan-dahatsoratra amin’ny teny malagasy aza tsy hain’ny ankamaroan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy fahatelo, hanala ny fanadinana BEPC.
Anisan’ny nampahay ny ankizy tamin’ny andro taloha ny fikapohana sy ny fibedesan’ny mpampianatra any an-tsekoly, raha ny fanazavana hatrany. Anisan’izany ny kapoka nahazo, ny mandohalika amin’ny vatokely, kapoka amin’ny hohon-tanana, manao seza rivotra…

Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou

Partager sur: