Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy, amin’ny lalao an’olon-droa miaraka, “double”, nandritra ny fifaninanana “ ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior. Hanomboka anio kosa ny lalao ho an’ireo ekipa.
Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana, Raharinjanahary Chrystella, vehivavy mpilalao tenisy, omaly. Lavon’ireo vehivavy zimbaboey, i Kuzivaishe Chapepa sy i Rutendo Tom, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/1), izy sy ilay vehivavy zimbaboey namany, i Akeelah Khanye. Marihina fa lalao tafiditra amin’ny fifaninanana “ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior, lahy sy vavy no natao. Nifarana omaly ihany koa ny lalao hiadiana ny laharana “match de classement” amin’
ity fifaninanana ity, ho an’ny sokajin-dalao “simple”. Tsiahivina fa tamin’ny “simple”, raraka avokoa ny Malagasy mpilalao rehetra. Ho an’ny vehivavy U14, nihintsana tany amin’ny fihodinana voalohany, Randrianasolo Mateï, raha toa ka lavo tany amin’ny fihodinana faharoa Andriamaniraka Ainatia sy Raharinjanahary Chrystella. Ny an’ny lehilahy U14 indray, nijanona teo amin’ny dingana faharoa ny dian-dRazafindrazaka Ny Avo, ary niondrika tany amin’ny lalao voalohany Andrianatoandro Tsilavina, tamin’ny sokajy U16 lehilahy. Resy teo amin’ny faharoa kosa Raoily Mahery sy i Napoke Jesse.
“Fianarana ny lalao natao taty Namibie. Ankizy sambany vao niatrika fifaninanana avokoa ny dimy tamin’ireo mpilalao fito nandeha taty. Ilaina ny manao fifaninanana maro mba hahafahan’ireo ankizy mahazo traikefa”, hoy Razafimahatratra Dina, Malagasy mpanazatra Tenisy. Ankoatra izay, hotontosaina manomboka anio kosa ny lalao ho an’ny ekipa. Vonona hanarina ny lesoka ny ekipa nasionaly malagasy amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 14 janoary ho avy izao ny «ITF/CAT Southern Africa”.
Fitia Randria