TSELATRA

Malagasy enina indray voasambotra sy notazonin’ny mpitandro filaminana maorisianina ao Maorisy, omaly. Voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina avy aty Madagasikara izy ireo. Efa nisy maorisianina efatra voasambotra, ny zoma teo, raha niampy ireo Malagasy ireo indray izany ny alahady. Tratra ireo rongony 340 kg. Miaramila roa lahy naratra satria nanohitra ireo voasambotra.
Tovolahy iray tratran’ny polisy tao Farafangana, omaly, noho ny fanamboarana sy fanapariahana vola sandoka. Tao Andranomakoko Farafangana izy ireo no tratra taorian’ny vela-pandriky ny polisy. Teo amina Cash point iray ity tovolahy ity no tratra niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 8 hetsy Ar. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany izy.
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy tratra nanolana ankizikely 13 taona teny Volotara Andoharanofotsy, afakomaly. Saika hanolana ilay niharam-boina tany anelakela-trano izy saingy nahatohitra azy ity ankizivavy ity ka tafatsoaka. Rovitra ny akanjony nandritra ny fifampitolomana. Niaiky ny heloka vitany izy.
Ankizivavy 10 taona koa no niharan’ny fanolanana nataona jiolahy iray teny amin’ny Lalamby Isotry, omaly. Niroso tamin’ny fisamboarana azy ny polisy CSP4 Isotry taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo. Efa nahazo fitsaboana sady natolotra ny Sampandraharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ny raharaha.

Partager sur: