Nihoatra ny tetibidin’ny entana nafarana avy any ivelany ny saran’ny naondrana. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Sampandraharahan’ny ladoany (DGD), nitentina 6 438,8 miliara Ar ny banga, amin’ny tsy fifandanjana ara-barotra ho an’i Madagasikara, nanomboka ny janoary hatramin’ny novambra 2023 teo. Nahatratra 12 915 miliara Ar ny sandan’ny entana naondrana any ivelany, raha toa ka 19 354 miliara Ar ny entana nafarana.
Anisan’ny vokatra tena naondrana any ivelany ny harena an-kibon’ny tany, ny voamaina, ny hanitra amin’ny sakafo, ny voankazo sy legioma. Eo koa ny lamba sy ny akanjo. Etsy ankilany, vokatra tena nafaran’i Madagasikara avy any ivelany, ny akora fototra, ny karazana angovo sy ny kojakojany, ny fitaovana samihafa.
Raha tiana ny hampihenana io tsy fifandanjana ara-barotra io, mila ampitomboina ny karazana vokatra fanondrana. Mila hitarina koa ny tsena mandray ny vokatra avy aty Madagasikara sady hampiroboroboina ny famokarana ny entana indostrialy, izay hafarana avy any ivelany, nefa azo vokarina eto an-toerana.
Njaka A.