Analamanga: efa ahitana trangana areti-maso conjonctivite

Napetraka ny fepetra sakana rehetra eny amin’ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia mba tsy hampiparitaka ilay areti-maso. Na izany aza, efa misy tratran’io aretina io eto Analamanga.

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Faha­salamana eto Analamanga, efa tonga eto Antananarivo ilay areti-maso conjonctivite. Efa misy ny trangan’aretina ary efa mandray ny fepetra ireo sampandraharahan’ny Fahasalamana eny anivon’ny distrika (SDSP), nanome toromarika avy hatrany ireo CSB eny anivon’ny kaominina sy fokontany.
Nasiana hetsika fanentanana amin’ireo tobin’ny fiarakodia mampifandray ny faritra izay efa ahitana ny aretina toy ny avy any Boeny, Antsirana­na, Menabe. Nametrahana olona mampahafantatra ireo fepetra tokony hatao amin’ny fanajana ny fahadiovana mba tsy hiparitahan’ny aretina.
Eny an-dalana no mivoatra ny aretina ary efa mihombo izy rehefa tonga eto Anta­na­narivo.
30 mahery isan’andro ny taksiborosy miainga any amin’ ny toerana iray mihazo an’Antananarivo ka marobe ihany koa ny olona mifamezivezy ao anatin’izany.
Efa nahazo toromarika ireo tobim-piantsonana rehetra.
Tsy maintsy misy olona mitondra ny aretina vao tonga eto izany ary ny fifampikasohana no mampifindra azy. Ny fitaovana ampiasain’ilay efa marary maso dia hahafahan’ ilay virosy na mikraoba mifindra.
Any amin’ny dokotera ihany no mitsabo maso satria saro-pady ny maso ka tsy tokony hanaovana dokotera tenany. Tsy manana voamaso hasolo izay eo ny dokotera fa mitsabo dieny mbola vao manomboka ny aretina, hoy ny fanazavan’ny DRS.
Fanapahana ny rohim-pifandraisana no tena zava-dehibe. Manapa-kevitra tsy mampianatra ny zanany avy hatrany ny ray aman-dreny raha misy trangana aretina. Toraka izany ny mpampianatra, ny mpiasa….

Tatiana A

Partager sur: