Miova ary mihasimba ny toetr’andro maneran-tany, tafiditra amin’izany i Madagasikara. Mizaka izany avokoa ny olombelona sy ny karazan-javamananaina rehetra amin’ny ankapobeny. Vokany, simba avokoa ny tontolo iainana. Mitombo ny tahan’ny tokantrano tratry ny tsy fahampiana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny famokarana sy fihinanana Ananambo.
Mitondra soa sy fahasalamana ho an’ny olona ny fihinanana ananambo. Noho ny fahitana ny singa maro samihafa ao anatiny. Mampahazo sy manatsara ny nofon-tany tsy ho kaohan’ny riaka ihany koa izy. Anisan’ny firenena mamokatra ananambo betsaka i Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Toerana tena mamokatra sy mamboly izany ny any amin’ny faritra. Toy ny any Morondava sy Befotaka Avaratra,Toliara,… Amin’ny ankapobeny, ataon’ny olona sakafo sy fanafody enti-manasitrana aretina any anatin’ny vatana ny ananambo, raha ny fanadihadiana natao tamin’olon-tsotra. Misy ny manao ny ravin’ananambo ho tambavy sy rano fisotro. Atao laoka solon’anana hafa kosa izany, hoy ny renim-pianakaviana hafa.
Mitondra vokatsoa betsaka ho an’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana ny fihinanana sy ny fambolena ananambo. “Fanampin-tsakafo tsarabe ho an’ny olona ny fihinana azy io, indrindra ho an’ny ankizy marefo ara-tsakafo sy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny orinasa manodina izany eto Antananarivo, Andriamanalina Mirado. Nilaza izy fa tena tsara ihinanana azy io ny vanim-potoanan’ny orana sy mafana tahaka izao. Mba entina miady amin’ny aretina toy ny sery sy gripa, tena mpahazo ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, raha ny fanazavany hatrany. Mandamina ny fikorontanan’ny aretina diabetika sy ny tosidra ao anatin’ny olona koa ny ananambo. Ankoatra izay, manampy ny hery fiarovan’ny olona anankiray, azo entina miady amin’ny aretina. Manatsara ny sakafon’ny ankizy sy ny reny mampinono ary mitsabo ny diabeta sy ny aretin’ny fandevonan-kanina sy ny fisefoana ny vovoka azo avy amin’ny toton-dravina ananambo. Ahitana vitamina betsaka, sira mineraly ary proteina ny ananambo. Ho an’ny ravina iray, ahitana kaloria 92g. 6,7 g ny proteina hita ao aminy, 1,7 g ny menaka. 13.4 g kosa ny gliosida. 440 mg ny calcium. 24 mg kosa ny magnésium. Toy izao indray ny vovoka ananambo. Ahitana 205g ny kaloria ao aminy. 27 g ny proteina. 38g ny gliosida. 2003 mg kosa ny calcium. Raha 368 mg ny magnésium.
Fikarakarana endrika amam-bika
Efa maro ny olon-tsotra sy orinasa manodina ny vokatra ananambo ho lasa vokatra maro isan-karazany. Noho ny soa sy ny tombontsoa maro azo avy aminy. Anisan’ny manodina izany, ny “Moringa wave” eto Antananarivo. Manodina ny ananambo ho lasa vovony izy ireo. Eo ihany koa ny fanodinana izany ho lasa menaka sy vokatra maro. Raha ho an’ny menaka manokana, natokana ho an’ireo olona tia mikarakara vatana sy tarehy amam-bika kosa indray izy io. Olana maneran-tany atrehin’ny mponina ny fiakaran’ny hafanan’ny tany sy ny masoandro. Tafiditra amin’izany ihany koa i Madagasikara. “Anisan’ny manana ny anjara asany eo amin’ny fiarovana ny hoditra sy ny tarehy amin’ny masoandro ny menaka azo avy amin’ny ananambo”, hoy hatrany ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny orinasa mpanodina ny vokatra.
Hanina 5-10g isan’ andro ny ananambo
“Aleo mihinana ananambo foana ny olona iray fa mila fitandremana amin’ny fikarakarana izany mba tsy hitondra aretina hafa indray”, hoy hatrany ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny orinasa mpanodina izany. Manodidina ny 5 hatramin’ny 10g isan’andro ny ananambo tokony hohanin’ny olona iray. Ary atao maharitra eo amin’ny andro maro mihitsy izany. Arakaraka ny ihinanan’ny olona azy matetika no ahitana fahasalamana ho an’ny tenany.
Fikarakarana ravina ananambo
Sasana sy hamainina (tsy azon’ny hainandro) ny ravina ananambo avy notazana. Sarahina amin’ny taho ny ravina, roa andro aty aoriana. Hamainina mandritra ny telo na efatr’andro avy eo. Totoina ahazoana vovoka manify miloko maitso. Sivanina ary tehirizina anaty boaty tsy azon-drivotra sy hainandro. Ho an’ity orinasa iray manodina ny vokatra ananambo ity. Ezaka ataon’izy ireo ny fambolena ananambo any amin’ny faritra telo eto amin’ny Nosy, izay iarahany miasa amin’ny tantsaha any an-toerana. Mahavokatra ananambo amina hektara maro isan-taona izy ireo. Hambolena amin’ny vanim-potoanan’ny orana ny voly. Manomboka ny volana janoary hatramin’ny volana marsa izany amin’ny ankapobeny.
Nanatontosa : Mino