Echec-“Afrika 2023”: hanomboka, anio, eny Ambohimangakely

Hatao eny amin’ny Hotel Destiny Ambohimangakely, manomboka anio, ny fiadiana ny ho tompodakan’i Afrika, Zone 4.4, taranja lalaon-tsaina Echec. Firenena 8 (i Soudan, Seychelles, Maurice, Kenya, Ethiopie, Djibouti, Somalie ary i Madagasikara), amin’ny 15 eto amin’ny Zone 4.4 no handray anjara, ahitana mpilalao 21 lahy sy 15 vavy. Malagasy ny 6 lahy sy 8 vavy amin’ireo. Mpifaninana andrasan’ny maro, ny Maitre International (MI) Rakotomaharo Fy, izay efa tonga teto Madagasikara, ny 2 janoary lasa teo.
Tsiahivina, efa nandray ity fifaninanana ity i Madagasikara, ny taona 2019, ary izao taona 2024 izao vao handray fanindroany izany indray. Tsy misy ny “qualification” amin’ity, raha toa ka nahazoana ny tapakila niatrehana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Echec, izany, ny taona 2019.

Mi.Raz

Lisitry ny Malagasy mpilalao
Vehivavy: WFM Raharimanana Faratiana, Rakotoniaina Johanna, Randriatsiferana Christiana, Mahasambatra Tsinjoniavo, Ramarosata Diary, Razafindratina Clarisse, Irina Lalasoa, Tsinjoniavo Nivo Hasina.
Hommes : MI Rakotomaharo Fy (1), CM Andrianiaina Heritiana (4), MI Ranaivoharisoa Alain (5), Andriamasoandro Miora (6), Razanadrakotoarisoa Toavina (7), Rakotomaharavo Dylan (9).

Partager sur: