Fotobohitra – Mananjary : Kamiaobe roa an’ny BNGRC nivadika

Nitrangana lozam-piarakodia niteraka fahasimban-javatra tao Fotobohitra, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina. Kamiaobe roa an’ny BNGRC (Birao manokana miandraikitra sy misahana ny loza voajanahary) samy mitondra fa­nampiana (vary, menaka, voamaina) no tra-doza tampoka teo amin’io toerana io. Nifa­narakaraka ireo kamiaobe roa ireo kanjo lany rivotra ilay fiara tao aoriana, araka ny voalazan’ny mpamily azy. Tsy voatazony intsony ny familiana ka voadona ilay fiara teo aloha. Vokany, nivadika avy hatrany ny fiarabe nentiny. Noho ny dona mafy nahazo ilay fiara teo aloha, tsy voafehin’ny mpamily koa ilay kamiaobe ka nivadika ihany koa. Tonga teny an-toerana nanao ny asa famonjena ny zandary avy ao Antsenavolo sady niambina ny fanampiana nentin’ireo kamiaobe. Tonga teny an-toerana ny tomponandraikitra eo anivon’ny BNGRC. Niroso tamin’ny famindrana ireo entana ny tomponandraikitra niaraka tamin’ny zandary. Mari­hina fa fanampiana hoentina hozaraina, omaly, ho an’ireo vahoaka sahirana any Vohi­peno no nentin’ireto kamiaobe ireto. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy tamin’ity loza ity.
Kamiaobe iray koa no nifandona tamina roa lahy nandeha moto tao amin’ny fokontany Anjatelo, kaominina ambanivohitr’Ampanihy, distrikan’i Mahabo, RN 35, Pk 392+100. Nisongona tampoka ity kamiaobe ity ireto roa lahy nandeha moto ireto ka nifampikasoka tamin’ilay kamiaobe. Naratra mafy izy roa lahy ka nentina namonjy ny hopitaliben’i Mahabo. Potika tanteraka ilay moto.

J.C

Partager sur: