Homena mari-pankasitrahana ireo be mpankafy. Tsy mivaona amin’ny fanaony isan-taona ny onjam-peo RDJ amin’ ity. Ny voalohandohan’ny taona toa izao mantsy no fanomezana sehatra ireo mpihaino sy mpankafy, amin’ny fisafidianana izay mozika, mpanakanto, seho, sns, izay heverin’izy ireo ho mendrika, anatin’ilay hetsika “RDJ Mozika”. Hotontosaina ny alahady 4 febroary ho avy izao ny lanonana fanomezana ny mari-pankasitrahana, izay hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Fantatra kosa fa hisokatra ny faran’ity herinandro ity ny fisafidianana isan-tsokajy, izay hapetraka manontolo amin’ireo mpankafy.
Rehefa misokatra ny fifidianana vao hivoaka ny sokajy hifaninana amin’ity “RDJ Mozika 2023” ity. Izay mozika nanamarika iny taona iny, ny marimarina kokoa nanomboka ny volana desambra 2022 hatramin’ny volana desambra 2023 no hozaraina isan-tsokajy. Misy, araka izany, ireo sokajy tsy foana mihitsy. Misy kosa ireo vaovao, misy ny mety hiverina ary mety tsy hisy intsony ny sasany.
Zo ny Aina