Hanatontosa fifantenana ho an’ireo izay handrafitra ny Makis, sokajy zandriny U16 sy U18, lahy sy vavy, ny Malagasy Rugby. Hetsika hatao ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Anton’izany, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipam-pirenena (AROI 2024). Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy La Réunion, ny 3 sy 4 marsa ho avy izao.
Manana hatramin’ny anio 11 janoary ireo klioba hisoratra anarana sy hitondra ny taratasy fanamarinana ho an’ireo mpilalaony. Teraka teo anelanelan’ny 2008 – 2009 ho an’ireo U16 ary eo anelanelan’ny 2006 – 2007 ny an’ireo U18. Masontsivana handraisana ireo mpilalao ny halavana sy ny lanja ary ny hafainganam-pandeha miaraka amin’ny fahaizam-baolina. Raha betsaka ny mpandray anjara ka tsy ampy ny fotoana hanaovana fifantenana, tsy maintsy mijery fotoana hafa indray ny teknisiana hanatontosana izany.
28 avy ny isan’ireo mpilalao horaisina amin’ity. Hiatrika fampivondronana avy hatrany izay voafantina manomboka ny 15 janoary, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina, fa lalao ho an’olona 10 ny an’ny U16 lehilahy, izay sambany no hifaninana amin’ity andiany 2024 ity. Rugby ho an’olona 7 toy ny mahazatra kosa ny an’ny U18 lahy sy vavy.
Tompondaka