Mozika tsisy fefy, etsy amin’ny Custom Café. Afaka manomboka ny fialamboly anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina ny mpankafy ny gadona Rock, Funk ary Jazz. Hianjoria miaraka amin-dry Eric Rakotoary eo amin’ny gitara beso, Gérard Ratsimiseta eo amin’ny gitara ary i Eric Andrianiaina eo amin’ny amponga maroanaka.
Ny sabotsy 13 janoary izao no hiroso amin’ ny fampianarana momba ny fifamatoran’ny zava-panahy sy ny tontolon’ny valiha ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha “Valiha Academie”. Misy ny fepetra mifanaraka amin’izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Tsy maintsy manana fahalalana momba ny velombaliha lalandava sy maty 5 ary maty 9 ireo mpiofana hanaraka ny fampianarana.
Tontosa omaly, teny amin’ny IFM Analakely, ny atrikasa fanoratana natokana ho an’ny Ankizy. Ny ekipan’ny Karné no nitondra ny fahaiza-manaony nandritra izany atrikasa izany. Nanambara ny tomponandraikitra fa farafaharatsiny mahay manoratra ny tantarany ny ankizy eo ampiafaranan’ny atrikasa.
Nosokafana omaly, teny amin’ny ANAC Anosy, ny fampiofanana an-jotra iarahana amin’i Hasimbola Rasolofo, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika manana ny maha izy azy. Fiaraha-miasan’ny ANAC, amin’ny ivontoerana sy Sampandraharaha misehatra eo amin’ny haikanto sy ny sarimihetsika no nahatanterahana izao hetsika izao.