Tsy ho lohany avy any afara!

Mitaintaina toa sahobakaka am-bodiriana ireo kandidà ho minisitra. Anio no hanatitra ny lisitra misy izay voafantiny any amin’ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra. Mazava ny fanambarana fa ny faran’ny herinandro dia efa hanana governemanta feno ny vahoaka malagasy. Feno ny ekipa manomboka any amin’ny mpanazatra, ny kapiteny, ny mpilalao rehetra manomboka amin’ny mpiandry tsato-by sy ny mpamono baolina.
Tsy sanatrian-dresaka fizaran-tseza izany, fa midika asa fampandrosoana avy hatrany. Miandrandra vokatra haingana sy azo tsapain-tanana ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Tanindrazana tsy maintsy mandroso no tanjona, araka ny lokaloka tamin’ny fampielezan-kevitra.
Mialoha ny hivoahan’ny lisitra farany, misy ny antso avo ataon’ny sokajin’olom-bitsy izay hadino sy zary an-jorombala. Anisan’ireny ny sembana sy ny sokajy marefo. Na misy aza ny minisiteran’ny Mponina dia tsy misy mpiresaka sy miady ny mba ho fiahiana azy ireny. Na fitaleavana iray aza tsy misy mijoro. Zara raha misy ny tetikasa, azo isaina amin’ny rantsan-tanana. Anisan’ny mpiantsehatra fototra ho amin’ny fampandrosoana anefa rehefa olom-pirenena.
Efa milaza ny hiavaka sy hampiavaka ilay governemanta ny Filoha ka inoana sy antenaina fa mba hahazo raiamandreny mpiahy ny olona latsaka an-katerena. Anisan’ny teboka iray, ilana ny fiangaran’ny Filohan’ny repoblika izany. Tsy hisian’ny mizana tsindrin’ila amin’ny fisitrahana sy ny fametrahana ilay fandrosoana tiana hapetraka.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary, hoy ny fitenenana! Ny fifamenoana sy fifanampiana avy amin’ny rehetra no ahafahana manorina sy manangana firenena matanjaka. Raha mbola misy ny fifanilihana dia ny omaly tsy miova. Ny teo ihany no hiverina dia ho lohany avy any amin’ny farany hatrany ve sanatria?

r.r

Partager sur: