Echec-Rakotomaharo Fy: hiakatra «Grand maitre international» amin’ity 2024 ity

Mandalo eto Madagasikara ny Maitre international (MI) Rakotomaharo Fy, Malagasy mpilalao, taranja Echec, mila ravinahitra any Frantsa. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy.

Gazety Taratra(*): Mandalo eto Madagasikara ianao, misy antony manokana ve ahatongavanao eto?

Rakotomaharo Fy(-): Araka ny efa fantatra, tanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taranja Echec. Izany indrindra no ahatongavako eto. Tanjoko ny hahazoana ny voalohany amin’ity fifaninanana ity.

*Ankoatra izay, inona iha­ny koa ny tanjonao amin’ity taona 2024 ity?
– Tanjona lehibe hotratrariko amin’ity taona ity ny hahazoako ny anaram-boninahitra “Grand maitre international”. “Norme” iray sy isa 40 eo sisa no enjehiko dia ho tratrako io tanjona io. Efa manana “normes” 2 sy 2 460 Elo aho amin’ izao. Betsaka ny fifaninanana hatrehiko amin’ity taom-pilalaovana ity ka mino aho fa ho azoko io anarana GMI io amin’ ity taona ity.

*Inona avy ireo fifaninanana hatrehinao amin’ity taona ity ireo?
– Aorian’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Zone 4.4 ity, hanohy ny lalao isam-bondrona hatao any Alle­ma­gne aho, hatramin’ny volana marsa izao. Manana klioba ao Allemagne “Bad Mergent­heim» aho. Ho any Ghana aorian’izay hiatrika ny “One African Games”, hatao ny 8-12 marsa. Ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa kosa ao­rian’izay, manana Klioba “Mulhouse Philidor” ihany koa aho. Ny “Olympiade” amin’ny volana septambra 2024 no tena zava-dehibe, izay hatao any Hongrie.

*Inona no azonao ambara raha manao jery todika ny 2 taona lasa?
– Ny taona 2022 ny vokatra tsara indrindra ho ahy izay nahazoako ny “normes” 2 GMI. Antonony kosa ny vokatra azoko ny taona 2023 ary somary nilatsaka kely ny Elo, na dia betsaka aza ny fifaninanana natrehina.

Mi.Raz

Partager sur: