Fantatra ny alarobia lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera, fa niova ho “Pureplay Foot-ball League” (PFL) ny anaran’ilay fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL). “Ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) nanova ny anaran’ity fifaninanana ity fa tsy ny CFEM”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny Club foot-ball elite de Madagascar (CFEM)”, omaly, teny Andoharanofotsy.
Nanazava ity filohan’ny CFEM ity fa nohavaozin’ny FMF indray ny fifanarahana teo amin’izy ireo sy ny Federasiona. Fifanarahana maharitra efa-taona azo havaozina. Raha ny nambarany hatrany, tsy misy olana ny fanovana ny anarana satria fifaninanam-pirenena eto Madagasikara ihany ilay PFL fa tsy any ivelany. Tsy mbola misy ny sary famantarana mampiavaka ny PFL, hoy ny lehiben’ny CFEM. Tsara ny mampahafantatra fa hotohanan’ny FMF ny PFL amin’ity fifanarahana vaovao ity.
Ankoatra izay, miisa 18 ireo mpandray anjara amin’ny PFL. Hozaraina ho kaonferansy roa: avaratra sy atsimo izy ireo amin’ity fifaninanana ity. Ahitana klioba sivy avy ny kaonferansy ka izay efatra voalohany isam-bondrona amin’izany, hatokana ho vondrona iray. Hifandimby hihaona ireo ekipa valo tafita ireo ka hanao manasa-dalana avy hatrany ireo efatra voalohany ary aorian’izay ny lalao famaranana. Hanomboka ny 4 febroary ho avy izao ary hifarana ny volana septambra ny PFL.
Fitia Randria