Miezaka hatrany ny tomponandraikitra mikarakara hetsika sy mamolavola paikady entina mampiroborobo ny haikanto malagasy vita amin’ny teny. Manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana mantsy izy ity ka tokony hatao laharam-pahamehana.
Tontosa, omaly tolakandro, teny amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny mpanorina ny faribolana tamin’ny fiandohany, nahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, Ranöe, Niry Solosoa, Ilay. Natrehin’ny tale samihafa avy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina sy ny mpisehatra eo anivon’ny haikanto vita amin’ny teny ary ny mpianatra isan-tsokajiny. Fampirantiana sy velakevitra ary tantaran’ny Faribolana Sandratra no nandravahana ny lanonana.
Tanjona napetraky ny Faribolana Sandratra amin’izao fankalazana ny faha-35 taonany izao ny hoe «Hanandratra ny zavakanto vita amin’ny teny», araka ny nambaran-dRakotomahafaly Norbert Eugène na Ranöe, filoha mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra. “Sandra-kalo…Zara fanahy”, kosa ny teny filamatra entina manamarika io vanim-potoana io. Hitohy mandritra ny taona izany amin’ny alalan’ny fankalazana isan-tsokajiny isam-bolana. «Velona ary mivoatra ny faribolana», hoy ny Tomponandraikitra. Tafakatra 280 ny boky ho an’ny sampana eo anivon’ny Faribolana Sandratra, raha 5 ny boky iraisana. Toerana 26 kosa no misy ny faribolana eto Madagasikara, raha efa mananika ny 400 ny isan’ny mpikambana. Araka ny nambaran-dRanöe hatrany, tsy fikambanana ny Faribolana Sandratra. Vondron’olona miady hevitra sy manapa-kevitra ary manatanteraka izany ho tombontsoan’ny haikanto malagasy vita amin’ny teny izy ireo.
Mpamorona fa tsy mpamerina
Araka izany, tsy mamerina fotsiny ny vitan’ny teo aloha ny Faribolana Sandratra fa mamorona sy manandratra indray ny talenta vaovao. «Nametraka ny naha izy azy ry Dox sy Rado… saingy miezaka mitady hevitra sy fomba hametrahana anarana vaovao indray izahay amin’izao», hoy Ranöe. Anisan’ny hetsika nampiroboroboana sy nanakakaizan’ny Faribolana Sandratra ny sarambabem-bahoaka ny «Tononkalo mitety vazan-tany», ny velakevitra ho an’ny mpianatra samihafa. Teo ihany koa ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny hetsika ara-literatiora isan-karazany.
Lin