Judo : nahazo 3è Dan ny maitre Harry Brandon

Ho fankasitrahana ny zava-bitan’ny maitre Harry Brandon tamin’ny Judo malagasy, notoloran’ny federasiona malagasin’ ny Judo mari-pankasitrahana sy nomena ny grady 3è Dan izy. Handao an’i Madagasikara tanteraka izy rehefa nahavita be teo amin’ity taranja ity.
Niasa teto Madagasikara, nandritra ny taona maro, ny maitre Harry Brandon Kindelberger, nanangana ny klioban’ny “La Porte”, taranja Judo. Ankoatra ny nananganany an’io klioba io, niara-niasa akaiky tamin’ny federasiona malagasin’ny Judo koa ny tenany. Anisany nitondrany anjara biriky ny teo amin’ ny Judo ho an’ny manana fahasembanana, toy ny tsy fahitana. Nisitraka izany fanampiana avy aminy izany, indrindra teo amin’ny fampikotranana, i Nampoina, ilay Judokas malagasy jamba, niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ny taona 2022 sy 2023 teo. Nanampy an’i Sensei Antsa, izay nanaraka akaiky an’i Nampoina, ny maitre Brandon tamin’izany, ka nahafahany niatrika ny “Grand Slam” tany Tokyo sy tany Paris.
Notontosaina, omaly, ity fanolorana mari-pankasitrahana sy fampiakarana grady ity, ka ny filohan’ny FMJ, i Bruno Eric Said, no nanolotra izany.

Mi.Raz

Partager sur: