TARATRY ny KANTO

Iraimbilanja etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nisian’ity toeram-pialamboly ity, anjaran’ny tarika Iraimbilanja indray ny manafana ny sehatra anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina.

Fara Gloum any Moramanga. Taorian’ny fihaonana tamin’ireo mpankafy tetsy Ambodivona, ny alarobia teo, manome fotoana ireo any Moramanga indray i Fara Gloum, anio manomboka amin’ny 7 ora alina.

« Vision(s) ou la fabrique de l’écriture ». Io ny lohahevitra iompanan’ny velakevitra hotarihin’i Jean Luc Raharimanana anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Alliance française Mahajanga. Manodidina ny literatiora saingy arahina mozika ihany koa ny fihaonana.

Partager sur: