Tobin-drano Mandroseza : ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famatsian-drano

Ho tapaka mandritra ny adiny valo (9 ora hatramin’ny 5 ora hariva) ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, anio 12 janoary. Antony, hamboarina ny ampahan’ny tambajotra N14 mamatsy herinaratra, manana tanjaka 5 000 V any amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Ho banga 1 900 m3 isan’ora ny famokarana rano, noho izany, fa hiverina amin’ny mahazatra aorian’ ny fahavitan’ny asa.

Nanampy fanazavana ny tale jeneralin’ny Rano (DG Rano), Jirama, Ramarosan­dratana Rija, omaly, fa efa vita tokoa ny toby famokarana rano faharoa, Mandroseza II, ary tokony ho efa nitombo ny habetsahan’ny rano.

Tetikasa Water III sy PAAEP

Na izany aza, tsy mbola tomombana ny famatsiana satria maromaro ny antony, toy ny fahanteran’ny fantson-drano ka harafesina na koa tsentsin’ny fotaka. Noma­rihin’ny DG Rano, fa misy ny vahaolana hiatrehana izany. Eo ny tetikasa Water III*, hanarenana izany tsikelikely, toy ny fanoloana ny fantsona, vatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), ara-bola, mitentina 74 tapitrisa euros. Efa nisy faritra maromaro nanoloana fantson-drano eto an-drenivohitra ary mbola ho tohizana.
Eo koa ny fandaharanasa goavana PAAEP*, mitentina 220 tapitrisa dolara, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Fampitomboana sy fanitarana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ity fandaharanasa ity. « Ho azo antoka fa hanova sy hamaha ny tsy fahampian’ny famatsian-drano mampitaraina ny mpanjifa ireo tetikasa roa lehibe ireo », hoy ihany ny DG-n’ny Rano ao amin’ny Jirama.

Njaka A.

Ireo faritra ho tapaka rano anio :
Analamahitsy – Ivandry – Alarobia -Ankorondrano – Soavimasoandro – Anjanahary – Manjakaray – Ambatomainty – Ambatobe – Ankadindramamy – Soamanandrariny – Ambohitrarahaba – Ankadikely Ilafy – Ambodivona – Ankadifotsy – Ambohijatovo – Faravohitra – Ambatonakanga – Antaninarenina-Amboditsiry – Tsiadana – Fort-voyron – Mahamasina – Ambolokandrina – Ankatso – Ampandrana – Ankadivato – Ambanidia – Anjohy – Andohalo – Ambohimitsimbina – Mahabo – Ambohijanaka – Ankaraobato – Ankadilalampotsy – Mahalavolona – Fort-Duchesne – Ampandrianomby – Ampanotokana – Andraisoro – Antsahameva.

Partager sur: