TOLOTRA «jirakaiky» : azo aloa eny amin’ny Cash point ny faktioran-jiro sy rano

Mitombo hatrany ny fomba azo handoavana ny faktioran’ny Jirama, hampihenana ny filaharam-be. Anisan’ny vaovao ny fandoavana azy eny amin’ny Cash point nahazo alalana avy amin’ny Jirama.

Maro ny mitaraina amin’ny filaharam-be rehefa mandoa ny faktioran’ny jiro sy ny rano.
Miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fanjakana, amin’ny ala­lan’ny Ji­rama. Nam­pahafantarina, oma­ly, ny tolotra vaovao ny « Jirakaiky », hamahana ny olan’ny mpanjifa, ny fanamorana ny fandoavana ny faktiora, eny amin’ny tranoheva Cash point. Ha­nombohana azy ny eny amin’ny faritra Mahazo sy Ampasampito, fa haparitaka manerana an’Antananarivo sy eto amin’ny Nosy ao aoriana kely.
Tombontsoa maro no azon’ny mpanjifa amin’ity tolotra Jirakaiky ity. Tsy mila mandany fotoana milahatra be eny amin’ny masoivoho intsony. Mihena ny vola lany, satria tsy mandeha mivezivezy. Sarany tokana 1000 Ar isaky ny faktiora ny fampiasana Jirakaiky eny amin’ny Cash point nahazo alalana amin’ny Jirama. Izany hoe, latsaka miohatra amin’ny saran-dalan’ny taxi-be mandroso sy miverina. Azo antoka, tsy mikirakira lelavola intsony ny Jirama, sady mihena ny filaharana sy ny fandoavana eny amin’ny masoivoho.
Mahazo rosian’ny Jirama
Karazany telo ny fampiasana ity tolotra vaovao ity, izay samy anomezana rosian’ ny Jirama ny mpanjifa toy ny mahazatra avokoa. Voa­lohany, fandoavam-bola mi­vantana, aloa lelavola ny faktiora. Faharoa, fandoavam-bola amin’ny finday (mobile money). Aseho ny mpampiasa Cash point ny faktiora, ary ny mpanjifa ihany no manefa ny vola amin’ny findainy. Fa­hatelo, maniraka olon-kafa ny mpanjifa mandoa ny faktiora. Omena ny tomponandraikitry ny Cash point ny faktiora, miaraka amin’ny laharan’ny finday handoavana ny vola. Mahazo hafatra ny tompon’ny laharana finday, ampidirana ny « code de validation » handoavana ny faktiora. Tanjona amin’ity tolotra ity ny fanakaikezana hatrany ny mpanjifa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: