12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra

Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany.

Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Mada­gasikara. Samy nanana ny fomba nankalazany azy avy ireo toby sy rezimanta maro isan-karazany. Ny fomba fanao, amin’ny hoe ny ma­nam­boninahitra zandriny in­drindra no mibaiko, kosa no niraisan’izy ireo, tamin’izany. Tanjon’ny hetsika ny fampiraisana sy fanamafisana orina ny firaisan-kinan’ny foloalindahy, indrindra ireo manamboninahitra.
Orakora-pifaliana no re nanakoako nanerana ireo toby miaramila sy zandary tamin’ny tontolo andron’ny omaly 12 janoary, Andron’ny manamboninahitra. Hetsika sy fifaninanana ara-panatanjahantena sy fiaraha-mikorana no nanamarihan’ireo manamboninahitra izany, tany amin’ny toerana nisy azy avy. Andro iray manana ny tantarany eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy ny 12 janoary, ahatsiarovana manokana ny fitakiana nataon’ireo mpianatra ho manamboninahitra tao amin’ny andiany voalohany, avy ao amin’ny Aka­demia Miaramila nitondra ny anarana “Aina”. Raha tsiahivina, tamin’izany fotoana izany no nitakin’izy ireo ny fanatsarana ny fiainana ankapobeny tao amin’ny Sekoly ary na­nomboka teo, notazonina ho Andron’ny Manambo­nina­hitra io daty io.
Anisan’ny nankalaza izany ihany koa ny vondrona Mpiaro ny Filoha eny Iavoloha, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra maro eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Fanan­ganan-tsaina no nanombohana izany, nitohy tamin’ny ka­bary sy hazakazaka niarahan’ny rehetra.Teo koa ny hetsika ara-panatanjahantena ary nofaranana tamin’ny fiaraha-mikorana.

Lin

Partager sur: