AGOA 2024 : mbola afaka manondrana entana i Madagasikara

Afaka manondrana entana eo amin’ny tsena amerikanina ka tsy andoavana haban-tseranana, toy ny teo aloha, ny vokatra avy eto Madagasikara mandritra ity taona ity, taorian’ny tombana nataon’ny governemanta amerikanina.

Anisan’ireo firenena mbo­la hisitraka ny fanondranan’entana any amin’ny tsena amerikanina, amin’ny alalan’ny African Growth And Opportunity Act (AGOA), i Madagasikara amin’ity taona ity, taorian’ny tomban’ezaka na­taon’ny governemanta ame­rikana. Raha toa ka tapaka kosa izany tombontsoa izany ho an’i Ouganda, Ga­bon, Niger, République Cen­tra­fricaine, noho ny antony samihafa.

Tsy handoa haban-tseranana toy ny teo aloha ny entana avy eto Madagasikara mandritra ny taona 2024. Fantatra fa maro ny tombontsoa azon’ny firenena malagasy tamin’ny alalan’ny AGOA, toy ny fiforonan’asa manodidina ny 60 000. Ankoatra izay, miisa 47 ny orinasa voasokajy ho afaka manondrana entana eo amin’ny tsenan’ny AGOA.

Fanavaozana

Hifarana ny taona 2025 ny fahafahan’i Madagasikara misitraka ny AGOA ka andrandraina ny fanavaozana izany mandritra ny 10 taona manaraka. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha momba ny AGOA tany Johannesburg Afrika atsimo, ny 2-4 novambra lasa teo, ny governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampirobo­ro­boana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana. Nisy ny famelabelaran-kevitra nandresena lahatra ny amerikanina ny hanohizana ny tetikasa AGOA ho an’ny 10 taona indray. Marihina fa fanohanana ireo sehatra mahazo tombontsoa no antony hiandrandrana ny hanohizana ny tetikasa. Fire­nena anisan’ny nampiakatra ny vokatra haondrana any Eta­zonia rahateo, i Madagasi­kara ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena. Tsiahi­vina fa mahatratra 1 800 karazana ireo entana avy aty Afri­ka azo haondrana eo amin’ny tsena amerikana ka tsy andoavana haban-tseranana, araka ny lalàn’ny AGOA.

Henintsoa Hani

Partager sur: