Mahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa isan-taona ny karatany hozaraina manomboka amin’ity taona ity hatramin’ny taona 2028. Manodidina ny 50 000 kosa ny bokin-tany hozaraina, araka ny tatitry ny ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, omaly, nandritra ny hetsika fanolorana ny Plans locaux d’occupation foncière (PLOF), tetsy Anosy. Hisy, araka izany, ny hetsika fanomezana karatany faobe amina kaomina efatra eto Madagasikara, ankoatra ireo efa nahazo izany tamin’ny taon-dasa. Hisitraka izany ny ao Antoetra sy Ambohimitombo, ho an’ny faritra Amoron’i Mania, raha toa ka Mahatsara Atsimo sy Antsenavolo kosa ho an’ny faritra Vatovavy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana tany ho an’ny tantsaha. Tombony ho azy ireo ny fananana tany ahafahany mamokatra sy manatsara ny fambolena. “Azony ampiasaina hitadiavana famatsiam-bola ary azony hiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ny fahazoan’ny tantsaha ny karatany”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa “DEFIS” eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Randrianaritiana Pierrot Serge. Hiakatra, araka izany, ny fampiasam-bolan’ny tantsaha rehefa azy ny tany. Ahafahany mampiasa ireo teknika sy paikady maharitra toy ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy ny solontenan’ny firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO) eto Madagasikara, Aloys Nizigiyimana.
Henintsoa H.