FANTINA sy FINTINA

Hambara rahampitso alahady amin’ny 5 ora hariva, raha tsy misy ny fiovana, ny ho firafitry ny governemanta vaovao. Mbola nitohy omaly, ny fandaminana faramparany ireo ho minisitra ho eo ambany fitarihan’ny lehiben’ny governemanta, i Ntsay Chris­tian, izao.

“Tsy afa-bela amin’izao fahantrana izao ny praiminisitra”, hoy ny depiote sady filohan’ny MTS, Ratsiraka Roland, omaly. “Misy tsikombakomba sy mampiahiahy ny ijanonany eo amin’io toerany io. Mitohy ny anay ny tolona”, hoy izy.

Miantso ny zanak’i Mahajanga mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny loholona, i Alidy. “Aoka isika tsy ho lany andro hifanasa vangy fa hifanaja hatrany kosa. Hihavana ao anatin’ny fahasamihafana isika ka hampandroso an’i Madagasikara”, hoy izy.

Niara-nahatsiaro ny 12 janoary, Andron’ ny manambonahitra teny Faravohitra ireo manamboninahitra, efa misotro ronono niaraka niasa tamin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly. Nivoitra tamin’izany ny dinidiniky ny mpianakavy sy ny fifampizarana vaovao.

Partager sur: